Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Raissa Razaivola : Hangataka fahafahana vonjimaika amin’izay ny mpisolovava

Raharaha Raissa Razaivola, mbola tazomina any am-ponja vonjimaika hatramin’izao nohon’ny fiampangana fikasana hamono olona tamin’ny volana febroary. Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety ny mpisolovava azy omaly, nanazava fa na dia efa misy aza ny olona nitory ka nisintona ny fitoriana dia tsy voavaly hatrany ny fangatahan’izy ireo fahafahana vonjimaika. Ahiana ny hisian’ny kolikoly sy fitakiana vola anatin’ity raharaha ity ho takalon’ny famotsorana araka ny fanazavana. Manomboka miaka-peo ny mpisolovavan’i Raissa Razaivola manoloana ny fitarazon’ny raharahan’izy ireo. Raha tsahivina ny volana febroary 2022 no nitazomana vonjimaika ity vehivavy ity raha nisy nitory tamina fikasana hamono olona. Nisintona ny fitoriany ny sasany tamin’ireo olona ireo taty aoriana, misy amin’ireo niandohan’ny raharaha no efa nivoaky ny fonja ihany koa saingy tsy ampy hoan’ny fitsarana izany hijerena ny fahafahana vonjimaika ho azy farafaharatsiny. Ny volana febroary no nipoaka ny raharaha Raissa rehefa niparitaka teny amin’ny tambajotran-tserasera ny karazana horonam-peo maromaro sy karazana dosie nahavoasaringotra olona maro ka anisan’izany ny karana telolahy sy malagasy iray, tao anatin’izany no nitorohan’I Raissa Razaivola ireo olona teny amin’ny Bianco. Resaka fanondranana volamena sy andramena. Taorian’io anefa no nivoaka ny fiampangana azy amin’ny fikasana hamonolo olona. Hatramin’ny volana febroary nitazomana azy, ao amin’ny Fonjan’Antanimora no miandry ny fotoam-pitsarana azy I Raissa Razaivola. Ny vadin’ny vadintany maître Rakotonirina Alain, ity farany izay manamafy tamin’ny alàlan’ny mpisolovava fa tsy mbola nivoaky ny fonja mihitsy ny vadiny hatramin’ny nitazomana azy. Amin’izao fotoana izao, milaza ny mpisolovava Soloniaina Andriamaromanana, fa hanao ny dingana amin’ny fangatahana ny fahazoany ny fahafahana vonjimaika, ary mahatoky ny fahaleovantenan’ny Fitsarana manoloana izany. 

Yv Sam