Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Raharaha Lola Rasoamaharo. Naninona tampoka teo ity Federasiona ana mpanao gazety tsy fanta-piaviana ity ?

Araka ny fanisana natao ny volana Septambra 2021, dia miisa 1.509 ny mpanao gazety malagasy tafiditra ao amin’ny sokajin’ny matihanina (« Professionnel ») eto Madagasikara, miparitaka ao amin'ny faritra miisa 23 misy eto amintsika, ka manana karatra mifandray amin’izany, izay ny OJM ihany no afaka manome izany amin’ny fomba ara-dalàna.

Maro dia maro ny fikambanam-panao gazety eto Madagasikara. Misy isaky ny sehatra : fanatanjahantena, tontolo iainana, fizahantany, fialamboly… Fa raha resaka sehatra politika ankapobeny dia ireto manaraka ireto no singaniko satria tena maro mahafantatra kosa :

Association des journalistes et animateurs culturels de Madagascar (SORAKANTO). Domoina Ratsara no anisan’ny nanangana azy ny 24 janoary 201. Resaka kolontsaina ankapobeny.

Association des Femmes Journalistes de Madagascar (AFJM), nitsangana tamin’ny taona 2018, ka vehivavy mpanao gazety miisa 600 mahery no mpikambana ao aminy, misandrahaka amina sehatra maro.

Association des Chroniqueurs Politiques (ACHROPOL). Nitsangana 20 taona lasa izay (2003) ka i Johary Ravoajanahary (TVM) no Filohany.

Association Libre des Journalistes de Madagascar (ALJM), nitsangana ny taona 2006 tao Farafangana.

Association des Journalistes des Radios Privées (AJRP), nitsangana ny taona 2010 ka i Soava Andriamarotafika no Filohany.

Fikambanan’ny Mpanao Gazety faritra Atsimo Andrefana (FMGFAA), natsangan’Itompokolahy Charles Raza Malaivandy ny taona 2006.

Fa ao koa ny fikambanana toa ny CDJ sy ILONTSERA.


Ny voalohan’ny dia fikambananan’ny Mpanao gazety zokiolona (« Club des Journalistes Doyens »), nitsangana ny 18 Aogositra 1993, 30 lasa izay. Efa nodimandry i Dany Be (Daniel Rakotoseheno) sy Ralehilahy (Rémi Rahajarizafy) anisan’ny vy nananana io CDJ io.

Ny faharoa dia fikambanana tsy miankina noforonin’i Monique Rakotoanosy, ary nitsangana ara-pomba ofisialy ny volana Oktobra 2015. Sehatra manara-maso indrindra ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety sy ny tontolon’ny serasera ankapobeny.

Ny OJM dia natsangana araka ny décret 74-112 tamin'ny 27 Marsa 1974. Ny sasany amin'ireo mpanao gazety miseho ho dadany, dia mbola tsy teraka akory tamin'izany. Ny any mba hitany ho an'ny fahasalaman'ny paosiny dia ny mandoka ireo heveriny fa manao politika mpanarivo tsy mahalala afa-tsy ny : Izaho, ny fianakaviako, ny tanindrazako ("moi, ma famille, ma patrie").

Fa eo anatrehin’ny làlana manan-kery, dia ny lalàna 2020-006 momban’ny « Code de la Communication médiatisée », ny OJM (« Ordre des Journalistes de Madagascar »), na ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara, no mandrindra ny asa fanaovan-gazety sy manome ny karatra maha matihanina manerana ny Nosy, araka ny voalazako tamboalohany.


Raha mikasika ny raharaha Lola Rasoamaharo dia efa nanao fanambarana ny Filohan’ny OJM, Ramatoa Harimbola Monica Rasoloarison, teo amin’ny micro’ny Tv Plus Madagascar, ny 27 Marsa 2023 :


« Ny raharaha Lola Rasoamaharo ? Mpanao gazety aloha izy. Eny amin’ny fitsarana izy, ary mamela malalaka ny fitsarana hanao ny asany ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara. Fa manara-maso akaiky ity raharaha ity satria fomba fiasa ao amin’ny birao moa ny MAMAFA (MAnamarina, MAnadihady sy Fandraisana Andraikitra). Mbola eo amin’ny fanaraha-maso isika izao aloha, sy amin’ny fanadihadiana, satria délit de droit commun ilay izy, hatreto, na hoe fandikan-dalàna heloka tsotra fa tsy any amin’ny hoe délit de presse na fandikan-dalàna mahakasika ny asa fanaovan-gazety. Dia amin’izay fanaraha-maso izay isika sy eo amin’ny fanadihadiana satria toa amin’ny Holafitra amin’ny asa rehetra dia mahakasika ny asa no iantsorohan’ny Ordre des Journalistes de Madagascar ».


Io 27 Marsa 2023 io koa dia nipoitra tampoka izany « Fédération des Associations des Journalistes de Madagascar » izany. Rehefa natao ny fikaroana lalina dia lalina dia tsy misy mihitsy io vondrona io fa dia noforomporon’ireo mpanao gazety izay tsy misy izay tsy mahalala. Ireo ambany ireo no vontoatin’ny fanambaran-dry zareo dia : Fidèle Razara Pierre, Fernand Cello, Heninkaja Rakotomanantsoa, Gascar Fenosoa, Domoina Rasamoelson, Harifidy Ramanandraibe, rahalahin'Itompokolahy Maurice Tsihiavonana sy Itompokolahy Tsiambakaina Delphin, iray kilasy tamiko tao amin'ny Lycée Gallieni ao Andohalo.


Fantatr’ireo tsara mihitsy aho. Ny tsy fantany dia efa mpinamana izahay sy Lola efa tamin’ny tapaka ny taona 1960 (enim-polo sy sivin-jato sy arivo). Fantatro tsara ny toetrany… Afaka manontany aza ianareo. Ka tsy ianareo ankizy aty aoriana be indray no hiseho inona eo ka mahavita tsy manara-dàlana satria tsy mahay ny voasoratry ny lalàna velona misy ihany koa. Ny hoe « manameloka ny fisamborana mpanao gazety » hatrany no aletika ao an-dohan’ny Malagasy mampiasa tambazotran-tserasera toa Facebook. F’angaha moa izany mpanao gazety izany tena tsy olona fa andriamanitra kely latsaka an-tany ka mahazo manao sy miteny izay saim-pantany fa tsy ho bedy na ho voasazy mihitsy ? Sao dia izay aza no fiheveran’ireto mpikambana amin'ity "Fédération" matotatoa ity ny tenany ? Azy ny azy fa, hatreto, dia toa tsy nisy nanjary izay « famakafakana » rehetra nataon-dry zalahy ireto… Fa, toy ny "Manainga zipo", dia ho vita ihany ity ilay RN44 nanaovana fandaharana maha... zendana. Fehiny : ny fomba famoronana ataon'ireo toa izao no vao mainka handetika azy. Fa ny mpanao gazety ankapobeny sy ny asa fanaovan-gazety iray manontolo eto Madagasikara no manjary tsy misy hajany sy hasiny intsony. Dia tsy resahina mihitsy koa i Fetra, satria ve tsy « mpanao gazety » ?



Ary nisy ity afatra nampitaina taty amiko ity, avy any amin’ireo mpanao gazety matihanina any amin’ny faritra : « F’iza Razoky ireo olona mitonona amin’ny anaran’ny mpanao gazety eto Madagasikara ireo ? ». Mitomany ho vedety nefa kay tsy misy mpahalala akory any amin'ny faritra any ?

Asa fa izao no lazain’ny frantsay hoe « faire flèche de tout bois » (araraotina izay tranga rehetra hamilina azy ho tombontsoan’ny tena sy/na ho an'ny mpiray donakafo) ; « qui se ressemble s’assemble » (mitambatra ho azy izay toa mitovitovy firehana na tsy mikankahalala tsara aza) ; « les ennemis de mes ennemis sont mes amis » (ny fahavalon’ny fahavaloko dia namako). akory atao fa lafo anie ny "carburant" izao e...

Hatreto aloha dia fantatra fa tsy dia mari-toerana ry zalahy ireto amina orinasa fanaovan-gazety. Inona marina no mahasarika azy rehetra ? Ankoatran’i Domoina Rasamoelson izay fantatro ny olany mavesatra tsy tantaraina eto…

Zonareo tokoa ny « manaramaso sy mijery akaiky ity raharaha ity ». Saingy...


Ireo ambony ireo aloha no voalazan’ny « procédure pénale » : misy « permanence » (tsy mila adika) foana ny ao amin’ny fitsarana, na amin’ny alina, na andro sabotsy sy alahady na andro tsy fiasana. Ary ny « délai de garde à vue » (fotoana itazomina ny voapanga), tsy mihoatra ny 48 ora. Nitady « interventions » amin’izay olona hamonjy aza i Lola fa tsy nahita intsony. Ny marina dia nitodian'izy rehetra lamosina. Eny na ny ao anatin'ny fitsarana aza. Dia vakio io andininy 136 io ambony io. Adikao teny malagasy koa ho an’ny mpihaino sy ny mpamaky anareo… Izay no atao hoe "Honnêteté intellectuelle".

Jeannot RAMAMBAZAFY – 28 Marsa 2023