Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Manjakandriana – Andiana mpangalatra : olona 17 nosamborin’ny zandary

Temps de lecture : 1 min.

Saika ny olona tao an-tanana iray manontolo no voarohirohy ho mpangalatra sy voasambotra.

Saika ny olona tao an-tanana rehetra ! Niainga tamin’ny fisamborana ramatoa iray tratry pôlisy am-bodiomby noho ny resaka fangalarana arina fandrehitra ny raharaha, herinandro lasa teo, tao an-tampon-tanan’i Manjakandriana tao. Rehefa natao ny famotorana, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia nilaza sy nanoro ireo mpiray tsikombakomba taminy ity farany. Nanohy tohy vakana nony avy eo ny fisamborana, satria samy niteny ireo mpiray petsapetsa aminy avokoa ireo efa voatondro. Ny niafaràny, saika ny iray tanana no voarohirohy amin’izay resaka halatra izay avokoa. Nahatratra 17 isa ireo olona nosamborina, hoy hatrany ny pôlisy, ka ny sivy amin’ireo dia vehivavy avokoa. Nentina avy hatrany natao andrimaso ho amin’ny famotorana avy hatrany ireto farany ary natolotra teo anivon’ny Fampanoavana omaly.

Araka ny fantatra tokoa mantsy dia nisy ny fitairanana maro azon’ny teo anivon’ny kaomisarian’ny pôlisy, mahakasika ny firongatry ny hala-botry isan-karazany tao an-drenivohitr’i Vakiniadiana tao. Misy andian’olona maromaro mihitsy, minia mangalatra arina fandrehina, biby fiompy ary ireo karazam-by rehetra tany an-toerana. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nandray andraikitra avy hatrany ny pôlisy, nanamafy ny fisafoana, mandeha tongotra, na andro na alina fa indrindra amin’ny alina. Ny herinandro teo araka izany dia vehivavy iray no tra-tehaka am-bodiomby mihitsy, teo am-pangalarana gonin-tsaribao, tao amin’ny tanan’Antsakambahiny. Nosamborina avy hatrana ity farany ary izao niafara tamin’ny fahatratrarana ireto olona am-polony maro ireto.

m.L