Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Fiarovam-pirenena : Ho tonga afaka roa volana ny angidimby hiaka farany

Temps de lecture : 1 min.

Tsy voatery hindrana amin’ny vahiny intsony ireo miaramila mpilatsaka an’elonaina fa efa manana ny antsika isika izao. Anisan’ny fampitaovana vaovao azon’ny Tafika ity elonaina ity.

Niavaka ny fankalazana ny fetin’i Md Misely, mpiaro manokana ireo foloalindahy mpilatsaka an’elonaina, omaly tetsy amin’ny tobin’ny “1er Bataillon Parachutiste” Ivato. Fankalazana fanao isan-taona izy ity, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia tonga nanome voninahitra izany ny Filoham-pirenena, izay sady Filoha farantampon’ny foloalindahy, niaraka tamin’ny Ministry ny fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jly Serge Gellé, ary ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta vitsivitsy, notronin’ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.

Nivohitra tamin’ity lanonana ity ny fanomezana anarana manokana an’ity tobin’ny mpilatsaka an’elon’aina ity, nampitondraina ny anaran’ny Toby Jeneraly Mounibou Ismael, lehiben’ity vondron’ny mpilatsaka an’elon’aina voalohany. Tetsy andanin’izay, nisy ihany koa ny fanomezana manokana avy amin’ny Filoham-pirenena, ho fampitaovana ny Tafika sy ity toby ity. Tao anatin’izany ny fiara tsy mataho-dalana, ny fitaovam-piadiana isan-karazany, ireo karazan’ elonaina 80 isa latsaka kely ary ireo fitaovana arifomba isan-karazany hoenti-manamora ny fitandroana ny filaminana sy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Fantatra ihany koa fa ho tonga afaka roa volana eo ho eo ny angidimby hiaka farany, Airbus H130, ahafahana mitondra olona fito no sady ahafahana manao vonjy aina, satria dia efa misy ireo fitaovana natokana ho amin’izany. Hahafahana miady amin’ny andian-balala ihany koa izy ity, raha ny fanazavana azo. Taorian’ny lanonana dia nisy ny fampisehoana ny fahaiza-manaon’ireto miaramila mpilatsaka an’elonaina ireto tao an-toerana.

m.L