Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Antanadava-Bemokotra : Raikitra ny tora-bato amin’ny alina

Ny fanafihan-dahalo efa manao ny ataony mbola mihoron-koditra amin’ny fihetsika miharo herisetra sy tora-bato tsy hifankahitana ny ao amin’ny fokontan’Antanadava, any amin’ny kaominina Bemokotra, ato anatin’ny Disitrikan’i Maevatanàna. » Tsy dia fantatra mazava na hadalana efa mihoa-pampana atao ny zava-misy ao an-toerana na hoentina hanakorontanana ny tonotolo monodidina. Isan’ireo miferinaina taneraka ny mponina any an-toerana rehefa tonga ny andro amin’ny alina. Porofon’izany ny talata alina teo dia nirefodrefotra ny tora-bato amin’ny tafo fanintso, tsy hay izay tian’ireo olona manao izany hatao. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano ny ankamaroan’ny olona teny manodidina fa niharitra ny tora-bato tamin’ny tranony avy. Naharitra ora maro izany teny amin’ity fokontany voalaza etsy ambony ity. Soa ihany fa tsy nisy naratra sy ny aina nafoy nandritra izany. Tsikaritra tokoa mantsy fa tsy mavozo mihitsy ireo olona manao tora-bato na dia nisy olona niezaka niantso vonjy aza. Rehefa maraina vao samy nifamory mitangorongorona ny olona no manontany tena manoloana ny zava-nitranga ny alina. tsikaritra fa rehefa tsy teo intsony ireo miaramilany Das miasa dia nanomboka niseho ny tora-bato . Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ataony mpitandro ny filaminana amin’izao.

Ratantely