Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Ambatofinandrahana : Toeram-pitrandrahana nidiran’ny olomboafidy an-keriny

Nitrangan’ny olana tao amin’ny toeram-pitrandrahana vato, « spodumène » sy « triphane » iray tao amin’ny kaominina Ambalamahatsara, distrikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania. Araka ny fantatra mantsy dia bodoin’ny olomboafidy iray avy any amin’iny distrikan’i Belo Tsiribihana iny ity toerana ity. Kariera, izay raha ny voalaza dia efa nahazoan’ny olon-tsotra miisa  telo alalàna ny hitrandraka izany, araka ny fahazoan-dalana PRE lah-3273. Manana fahazoan-dalana ho amin’ny fitrandrahana mazava tsara ihany ny olona misoratra amin’io toerana io. Ny olana, manjazakaza amin’izany kariera izany amin’izao io olomboafidy io. Niiditra an-keriny tao amin’io toerana io, tsy nahazo alalàna tamin’iretsy olona manana taratasy ara-dalàna akory, niaraka tamin’ny fiarabe na irony antsoina hoe « poclain » irony. Ary tsy vitan’ny miditra an-keriny, raha ny vaovao azo fa mbola miaraka amin’ny olona manao fanamiana mpitandro filaminana, entiny anaovana biby fampitahorana ireto olona ireto. 

Miraviravy tanana sisa no azon’ireto olona misoratra amin’io toerana io sy ny nahazo alalàna ara-dalàna hitrandraka ao atao. « Fanararaotam-pahefana sy barofo tsotra izao no azo ilazana azy »,  hoy izy ireo velon-taraina. Ny tena mampalahelo sy itairainan’ireto lasibatra ireto dia ny tsy fahafahan’izy ireo mikitika ilay toerana intsony, satria efa ity olomboafidy ity no mitrandraka sy mamoaka ireo vato ao an-toerana.  « Ny mahavariana dia mandeha ho azy izao raharaha izao. Tsy misy akory ny sakantsakana eny an-dalana rehefa mitatitra vato amin’ny kamiao izy », hoy ihany ny fanazavana.

Voalazan’izy ireo mantsy fa miteraka fatiantoka goavana izao fanamparam-pahefana izao, tsy ho an’ireo mpandraharaha ihany, izay voalazan’izy ireo fa mandoa ny « ristourne » ara-dalàna sy manao ny tamberinandraikitra na ny « redevabilité Miniere » fa ho an’ny fampandrosoana eo amin’ny faritra mihitsy. Misy mantsy ny fikasan’ireto farany hanangana tetikasa hampandroso io toerana io amin’ny alalan’ny fitrandrahana ataon’izy ireo. Araka izany dia manao antso avo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ary ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany izy ireo araka izany, mba handray ny andraikitra mahakasika an’ity tranga ity.

m.L